airtel

Fandriampahalemana

15-juin-2026

RN1 - Sprinter sy fiara

mpitatitra entana nifandona

Sample post image

Fandehanana mafy no fototry ny loza

15-juin-2026

Nitrangàna lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tany amin'ny lalam.pirenena voalohany afak'omaly Sabotsy 13 Jona maraina, 600 metatra miala ny Tetezan’i Sakay. Fiara iray mpitondra entana avy any Arivonimamo no nifandona tamin’ny fiara Sprinter mpitatitra olona avy any Tsiroanomandidy, hihazo an’Antananarivo. Namoy ny ainy vokatr'izany ny mpamily ilay fiara mpitatitra entana izay alevina anio Alatsinainy 15 Jona raha olona efatra hafa koa no naratra mafy. Ny roa tamin'ireto farany no fantatra fa tena voa mafy. Tsy nisy naninona kosa ireo mpandeha tao amin’ilay fiara mpitatitra olona. saika hiazo ny renivohitra raha araka ny vaovao voaray. Vokatry ny fandehanana mafy loatra moa no voalaza fa nahatonga ny loza. Na izany aza ny fanadihadiana hataon'ny mpitandro ny filaminana ihany no tena hanamarina izany. Tsiahivina fa olona 10 isan'andro moa mamoy ny ainy eto amintsika vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Avy amin'ny olana ara-teknika mety mahazo ilay fiara ny 80%-n'ireo antony miteraka izany raha avy amin'ilay mpamily ny 20% ambiny.
Nangonin'i Pati
Légende : Mamono olona matetika ny lalam-pirenena voalohany !
 

Dans la même rubrique

15-juin-2026

Tovovavy kely iray Niaina Kanto Aksa

Card image cap
12-juin-2026

Sokatra lehibe miisa 28 indray no saron'ny

Card image cap