airtel

Fandriampahalemana

15-déc-2023

Sainte Marie Antaninandro

Nahitana razana 2 feno dian-java-maranitra

Sample post image

Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny sakelika mikaroka ny heloka

15-déc-2023

bevavan'ny Polisim-pirenena taorian'ny nahitana razana miisa 2 teny Sainte Marie Antaninandro ny marainan’ny alarobia teo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Lehilahy mpiandry fonja, 48 taona, sy vehivavy, 39 taona, ireo hita faty tanaty trano iray eny an-toerana ireo. Vao andro vitsy no nahatongavan'io renim-pianakaviana sy ny zanany roa io nipetraka teny, raha ny nambaran'ny manodidina. Misy vehivavy iray mpanampy ihany koa zareo. Loharanom-baovaon’ny polisy no nahafantarana fa disadisan-tokantrano no ahiana ho niafara tamin'izao fahafatesan'olon-droa izao. Ahiana ho novonoin'ilay rangahy ilay vehivavy ary tombanana ho namono tena izy avy eo araka ny fanazavan'ireo manam-pahefana. Hitan'ilay mpiasa an-trano izy roa nifamaly. Ilay rangahy nitazona zava-maranitra. Lasa niantso vonjy izy ary rehefa niverina tao dia nahita ilay mpampiasa azy efa nidaboka teo am-pandriana, voatsatotsatoka zava-maranitra, diany miisa 4 tao an-damosiny. Niezaka niantso vonjy ihany ilay mpanampy. Avy eo hitany koa ilay lehilahy feno dian-java-maranitra teo amin'ny tratrany sy ny kibony. Ireo zaza tsy tao fa tany am-pianarana. Mandeha ny fanadihadiana ataon'ny polisy mikasika ity tranga ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Sary: Skispass ATM
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap