tsy an-kiato koa amin’izao ny fanafihana any amin'ny lalam-pirenena toy ny niseho tany amin’iny lalam-pirenena fahafito iny ny 02 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny 09 ora alina. Fiara taxi-brousse roa avy amin'ny zotra "SONATRA" sy "BANDE BLEU" avy any Vangaindrano hiazo an’i Fianarantsoa no niharan'ny fanafihan-jiolahy teo anelanelan'ny Bakanamorona sy Irondro. Lehilahy iray manodidina ny 38 taona vokatr’izany no maty notifirin’ireo jiolahy. Raha araka ny fantatra dia avy ao Lopary distrikan'i Vangaindrano Itompokolahy. Vaky ihany koa ny lohan' ilay mpamilin'ny fiara avy ao amin’ny zotra Bande bleu. Vehivavy iray ihany koa no fantatra fa mbola naolan'ireo tsy mataho-tody. Marihina moa fa voaroba avokoa ny mpandeha rehetra tao anatin’iteo taxi-brousse roa ireo. Lasan’ireo jiolahy avokoa ny vola, ny finday, ny firavaka sarobidin'ireo mpandeha. Tsy latsaky ny 10 teo ho eo ireo jiolahy nanao io asa ratsy mahatsiravina io hoy hatrany ny vaovao. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra fanjakana araka izany ireo mpitatitra. Tsy nisy intsony mantsy na nofoanana mihitsy ireo mpitandro ny filaminana manaraka taxi brousse tato ho ato raha mba efa nisy izany teo aloha. Tsy manana mpifanandrina atahorana intsony vokatr’izany ireo jiolahy hany ka manjakazaka tanteraka.
Pati
Legende : Tebiteby sy ahiahy no mahazo ireo taxi-brousse miazo ny lalam-pirenena amin’izao. (Sary fanehoana)
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.