airtel

Fandriampahalemana

29-déc-2023

Sarintsarina «Kidnapping »

Mpifankatia nanantena volabe, any am-ponja vao mijanona

Sample post image

Ahitana trangan-javatra maro samihafa mihitsy eny anivon’ny fiaraha-monina eny

29-déc-2023

mba hahazoana vola. Miainga amin’ny fanambakana sy fisolokiana izany ary tonga hatrany amin’ny fanaovana sarintsarina fakana an-keriny toy ity nitranga teny Mandrosoa Ivato omaly ity.Nanao fitarainana ho naharay antso an-tarobia tamin'ny sakaizany taloha sy ny sipan'ity farany ny Raim-pianakaviana iray fa nisy naka an-keriny ny zanak'izy ireo. Nanery ity raim-pianakaviana ity handefa vola mitentina 1 000 000 Ar izy ireo ho sandan'ny amin'ilay zaza any amin'ireo jiolahy mpaka an-keriny. Tsy vitan'izany fa nampitahorin'izy ireo fa hisy haka an-keriny ihany koa ny vadin'ity raim-pianakaviana ity amin'izao fotoana izay efa mitondra vohoka. Nanao fitoriana teny anivon'ny zandarimaria PA Mandrosoa araka izany ilay raim-pianakaviana ka nosokafana ny fanadihadiana. Tratra ilay vehivavy,sakaizan'ity Raim-pianakaviana ity taloha niaraka tamin'ny lehilahy miaraka aminy, voamarina fa tsy nisy akory ny fakàna an-keriny ary tsy misy jiolahy mpaka an-keriny ihany koa. Izy roa ireo ihany no niketrika izany mba hahazoana volabe hanaovana faran'ny taona kinanjo ….mangahazo no hiandry azy.
Pati
Legende : Ireto izy roa be ati-doha !
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap