Fampitam-baovao avy amin'ny mpiray vodirindrina no nahafantarana ny asa ratsy saika nataon’ity lehilahy ity. Raha vao naharay izany antso izany ny Polisy miasa ao Ambohijatovo dia nandray ny andraikiny avy hatrany nidina teny an-toerana nijery ny zava-nisy. Mbola tratra teo an-tokontanin'ilay trano nihanihany tamboho mihitsy ity rangahy lehibe ity nandritra izany. Rehefa natao ny fisavana azy dia mbola nahatrarana lampe de poche sy pince coupante teny aminy. Nilaza ho tsy manana anton’asa fivelomana moa izy nefa maro adidy, antony nanosika azy hanaotao foana tahaka izao. Tsy ny olon-dehibe tahaka izao ihany no lasa mangalatra ankehitriny vokatry ny fahantrana mihanaka fa tsy tambo isaina intsony koa ireo tanora izay efa mian-dahy miam-bavy mihitsy.
Pati
Legende : Ity ilay Rangahy lehibe efa tokony haka aina saingy noho ny fahantrana dia lasa manaotao foana !
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.