Sesilany ireo tranga mahatsiravina hafahafa ao Faratsiho. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona indray no hita faty tao Ambohitanora, Fokontany Ambohimanarivo, Kaominina Vinaninony Atsimo, Distrikan’i Faratsiho, ny Alahady 2 Aogositra 2026, araka ny tatitra sy vaovao voaray omaly. Marihina fa efa nanomboka ny Sabotsy 1 Aogositra 2026 ny fikarohana an’ity renim-pianakaviana ity, talohan’ny nahitana ny razana ny ampitso. Nitsingoloka no nahitana azy, ary voalaza fa nisy ratra teo amin’ny fivaviany sady nahitana rà nandriaka teo amin'ny toerana nahitana azy. Tonga nanao ny fizahana ny razana ny mpiasan’ny fahasalamana avy ao Ambohimanarivo sy ny Zandarimariam-pirenena avy ao Faravohitra. Marihina fa ny faran'ny teo ihany koa no nahitana an'ilay vehivavy antsoina hoe Haingo izay voalaza fa mbola tsy verivery saina sady naratra mafy niaraka tamin'ny zanany efa tsy nisy aina intsony, novakiana ny lohany, natao sorona,... Teo ihany koa ilay fitsaram-bahoaka nahafatesana lehilahy voalaza fa tsy salama saina saingy nisy nanindro ho mpangala-jaza. Malaza amin'ny tranga sy tranga mahatsiravina i Faratsiho tato ho ato raha ny fifanolanana ara-politika tamin'ny fifidianana depiote no isan'ny ahatsiarovan'ny maro azy, ankoatra ny zavatra hafa mampalaza azy toy ny famokarana, toe-tany,...
Toky R