airtel

Fandriampahalemana

08-oct-2026

TAFIKA MALAGASY

Hahazo drona fanaraha-maso miisa 120

Sample post image

Hahazo drona fanaraha-maso

08-oct-2026

miisa 120 ny tafika Malagasy. Tontosa omaly Alarobia 07 Oktobra ny sonia fifanekem-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy La Frantsa momba ny fampiasana drôna. Drona 20 isa no ho tonga voalohany hampiasaina amin'ny fanaraha-maso sy fampitam-baovaon'ny tafika , indrindra amin’ny fanaraha-maso ny fari-dranomasina sy ny Morontsirak'i Madagasikara. Drona miisa 100 hafa kosa no hatolotra aorian'izay ho fanamafisana ny fandriam-pahalemana amin’ny alalan’ny fitsirihina sy fitsikilovana avy eny an'abakabaka. Tafiditra ao anatin'izany ireo toerana ahitana trangana halatr’omby sy tsy fandriam-pahalemana mahery vaika eto amintsika. Hampiasaina ireo drona irel mba hahafahana mandray fepetra haingana sy mahomby hanenjehana ireo dahalo mpambotry ny mpiara-belona. Amin’ ny volana Desambra taona 2026 ho avy izao na amin'ny fiandohan'ny taona 2027 ho avy io no voalaza fa hahatongavan'ireto fitaovana ireto. Vokatry ny fiaraha-miasan'ny Tafika Frantsay sy Malagasy avokoa izany rehetra izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta omaly !
 

Dans la même rubrique

08-oct-2026

Tovovavy 2 voaolana, 3

Card image cap
07-oct-2026

toy ny "drône" hampandrian-tany

Card image cap