airtel

Fandriampahalemana

29-janv-2024

Talatan’Angavo Ankazobe

Votsotra ireo 3 mianaka natao takalon’aina

Sample post image

Votsotra soa aman-tsara teo ampelatanan'ny dahalo ny sabotsy 27 janoary

29-janv-2024

tamin'ny 06ora hariva tany avaratr'i Tsaramasoandro kely, fokontany Manerinerina, kaominina ambanivohitr'i Ambolotarakely distrika Ankazobe ireo vehivavy 3 mianaka nataona dahalo takalon'aina nandritra ny fanafihana nitranga tao Antanetibe, fokontany Androva Atsimo, kaominina ambanivohitra Talatan’Angavo distrikan' Ankazobe ny alin'ny 23 janoary teo. Tsara ny mampahatsiahy, fa ankoatra ny fakana an-keriny ireo olona 3 mianaka dia raim-pianankaviana iray ihany koa no maty voatifitra nandritra io fanafihana io. Nahery vaika ny hetsika sy paikady nataon'ireo Zandary sy Tafika mampandry, ka nahavotsotra azy ireo, raha ny tatitra nentin’ny Zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny CIRGN Antananarivo. Nomarihina fa efa misy vokatra azon'ireo Zandary mampandry tany sady manao famotorana any amin'iny faritra iny ary mbola mitohy ny hetsika famongorana ny asan-dahalo ao anatin'ireo faritra mifanefitra Analamanga sy Betsiboka ary Alaotra Mangoro. Vao maika hihamafy manomboka izao ny fiarovana sy fampandriana fahalemana amin'ireo faritra telo mifanefitra voatanisa, raha ny fanamarihana. Ny fifanakalozam-baovao marim-pototra sy haingana amin'ireo Mpitandro filaminana no ahafahantsika mandray fepetra ara-potoana hamongorana ireo ratsy, hoy ny fanentanana. Nomarihina hatrany fa atao tsiambaratelo sy arovana fatratra ny mombamomba ireo Loharanom-baovao, ka entanina izay manam-baovao mahakasika iny raharaha iny tsy hatahotra fa azo itokiana ny Zandarimaria nalefa any an-toerana, hoy hatrany ny CIRGN Analamanga.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap