airtel

Fandriampahalemana

08-avril-2024

Tampanjotra mpangalatra moto

Saron’ny zandary, mampiasa « facture vierge »

Sample post image

Hozarainay avy amin'ny alalan'ity vokatra azon'ny borigady Ambohimangakely ity

08-avril-2024

ny fomba fiasan'ireo mpangalatra kodiaran-droa na moto mba ahafahanao mahita sy mahalala ary misoroka sahady ny fahaverezana moto, hoy ny fampitam-baovaon’ny borigadin’ny zandarimaria Ambohimangakely ny sabotsy teo. Omenay ihany koa izao vaovao izao mba ahafahanareo manome "renseignements" na fampitam-baovao anay raha vao mahita tranga ianareo, hoy ny fanazavana. Nisy olona very moto ny 4 aogositra 2023 teo. Ny 24 martsa teo dia hitany teny amin'olona io moto io ka niantso zandary dia ny borigady Ambohimangakely izy. Nosavaina, tsy anay io fa an'ny bandy akama, hoy ilay olona. Nantsoina ilay hoe "bandy akama". Novidiako tamin'olona tany Imerinafovoany io, hoy io. Nantsoina indray ity farany ka nanome ny mombamomba ilay olona nahazoany moto izay misy lazam-bidy na «facture» kanefa moto halatra. Nosamborina ary nilaza ny olona fividianana "lazam-bidy fotsy" na «facture vierge» an'ny magazay fivarotana moto iray. Lazam-bidy efa misy fitomboka hoe «Payé - Livré». Mpanao taxi-moto no very moto ny 4 aogositra 2024 rehefa voambana sabatra teny Ambatomaro. Lasa ny moto. Alohan'ny hangalarana moto dia efa mividy "facture vierge". Efa misy olona fividianana izay voasambotra ary nahatrarana taratasy hosoka miisa 4 tao aminy. Rehefa avy mangalatra dia nifindra trano. Amidy ny moto misy «facture». Mividy «facture vierge» indray dia miomana hanao «opération» manaraka. Moto miisa 4 no giazan'ny borigady Ambohimangakely mitady ny tena tompony ara-dalana. Tovolahy matanjaka sady bogosy no marani-tsaina miisa 6 no voarohirohy mpanao sy mampiasa «facture vierge». Ny iray mpivarotra «facture vierge». Iray voarohirohy ho nangalatra sy nivarotra moto halatra ary nanome «facture vierge», hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap