Vehivavy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no tratra namaky trano tamin’ny andro atoandro tao Tanambao 5 parcelle 13/82 omaly Talata 11 Martsa. Efa tafiditra tao an-trano nisavasava armoire izy no hita. Nahitana tournevis ihany koa tao anatin’ny sakaosy nentiny. Taorian’ny nahatrarana azy moa dia ity vehivavy ity mihitsy no niangavy ny mba hiantsoana polisy haka azy ho famaizana azy tamin’ny tsy nety nataony. Tombanana ho olona efa tratry ny famoizam-po na koa mety efa nifonja ary mbola maniry hiverina any amin’ireo ity vehivavy ity. Marobe amin’ireny voafonja ireny mantsy na lahy na vavy no tsy tamana eny anivon’ny fiaraha-monina intsony vokatry ny fanilihana mahazo azy ka aleony ihany miverina matetika any am-ponja.
Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana mpamaky trano vonona hanefa ny saziny tsy amim-pisalasalana !
Ramatoabe iray 71 taona no fantatra fa voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny
Tsy mety fay mihitsy ireo jiolahy vao nivoaka ny fonja eto amintsika fa manohy ny asa ratsiny hatrany.
Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,