airtel

Fandriampahalemana

15-janv-2024

Tanambao Toliara

Telolahy saika hanendaka zandary voasambotra

Sample post image

Ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra araka ilay fomba fiteny

15-janv-2024

no azo hamintinana ny nahazo ireo mpanendaka tany Tanambao Toliara. Zandary miisa 2 avy namita iraka tany Ampanihy/Ouest no nokasain'ireto mpanendaka ireto ho endahina toy ny fanaony ny marainan'ny 13 janoary tamin'ny 1ora sasany teo amin'ny sampanan-dalana Tanambao, hoy ny tatitra. Voalaza fa namoaka antsy lava lela sy hazo ireto mpanendaka 3 lahy ireto ary nanakana ireo mpitandro ny filaminana kanefa izao voasambotr'izy ireo izao. Ankoatra ity asa fanendahana tsy tanteraka nokasain'ireto jiolahy ireto ity, dia mbola nanendaka lehilahy iray izy ireo tokony ho tamin'ny 12 ora Alina teo amin'ny lapan'ny tanàna ka vola 700.000 ariary no lasan'izy ireo tamin'izany. Tsy afa-po tamin’iny, kinanjo sendra ny nahay azy.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap