Rehefa nosavain’ny mpitandro ny filaminana ny tranony dia mbola nahitana fitaovana maro samihafa toy ny basy vita gasy iray sy bala miisa roa, finday miisa dimy, firavaka volafotsy, radio sy baffle, antsy ary moto cross iray. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy tany an-toerana izy ireo nanaovana fanadihadiana ka tamin'izany no nahafantarana fa izy efadahy ireto no isan'ireo mpanao halatra mitam-piadiana ao an-tampon-tanàn'i Fianarantsoa. Mbola misy ny naman'izy ireo hafa karohina hatramin’ny omaly. Afa-doza araka izany ny mponin’i Fianarantsoa.
Nangonin’i Pati
Zana-tsokatra miisa 105 saika ahondrana an-tsokosoko no tra-tehaky ny mpiasan’ny