airtel

Fandriampahalemana

14-oct-2022

Fandriampahalemana

Tatitry ny CNIDH « Nahatratra 14 ny herisetra nataon’ny miaramila ho an’ny 2022 »

Sample post image

Nahatratra 14 ireo tranga naharaisana fitarainana sy tatitra mazava momba ny herisetra nataon’ny miaramila tamin’ny faritra maro teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Vaomieram-pirenena momba ny zon’olombelona na ny CNIDH.

14-oct-2022

Vitsy anefa no tonga eny amin’ny Fitsarana, ka nahatonga ny CNIDH nitondra fanairana ho an’ny manam-pahefana isan-tsokajiny. Raha hisoroka an’izany, dia ny fampiharana ny lalàna, tokony hanaovana fanadihadiana manoloana ny Fitsarana. Ekena fa misy ny fanadihadiana fa tsy misy tohiny, indraindray sarotra vao mivoaka ny “autorisation de porsuite”, hany ka lasa fialokalofan’ireo manao ny tsy mety ny mpitandro ny filaminana. Ny 6 tamin’ireo herisetra, dia niseho tamin’ny volana Septembra teo avokoa. Ampahany amin’ny herisetra, heloka bevava, na ihany koa raharaha mahavoasaringotra miaramilan’ny Tafika Malagasy tamin’ity taona 2022 ity ireto: 21 febroary 2022, mpianatra ho miaramila tafiditra tao amin’ny Akademia miaramila na ny ACMIL ao Antsirabe maty nodarodarohana tamin’ny bizutage; martsa 2022 : miaramila (soldat de deuxième classe) nidaroka sy nahafaty ny sakaizany tamin’ny basy tany Ambondromamy; 7 aprily 2022:miaramila maromaro nidaroka tovolahy iray tany Ankazobe; 3 jona 2022 : Miaramila iray voalaza fa voatifitry ny namany tsy nahy tao amin’ny 1er Bataillon Infanterie Antananarivo, eny Fiadanana; 3 aogositra 2022 : Jeune recrue, nampijaliana ary maty teny amin’ny Centre d’entrainement Tsaralamaka Iavoloha. 20 aogositra 2022 : miaramila nanatsatok’antsy nahafaty zandary tany Ambohitrantenaina Imerintsiatosika; 06 septembra 2022 : Nouveaux officiers Acmil namono “serveur civil” izay nambaran’izy ireo fa nangalatra; 09 septembre 2022 : andiana miaramila nanangona ombin’olona tao Iaboafo Betroka sady nitifitr’olona 2 nolazain’izy ireo fa dahalo; septembre 2022 : miaramila iray niray tsikombakomba tamin’ny fakàna an-keriny tany Anjozorobe. Tsy nomena hatao famotorana. Ny septembra 2022 hatrany, miaramila namono nahafaty mpangalatra akohovavy 1 tany Anjozorobe; miaramila maromaro namono olona nandatsak’olona tany anaty lava-piringa tany Ambatoboeny. Tranga izay disoin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. 23 septembra 2022, miaramila iray nitifitra ny mpamilin’ny kaominin’Alasora tao anaty karaoké teny Ankadindratombo. Raha ho an’ity oktobra 2022 ity kosa, miaramila iray nitifitra tovolahy 19 taona teny Ambohimitsinjorano, distrikan’Ambohidratrimo. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay miaramila; 11 oktobra 2022 : miaramila avy amin’ny RFI Ivato manao sarin’ady eny amin’ny Toby Langaina Avaradrano, tonga nanakorontana sy nampihorohoro ary nandrahona tamin’ny basy ireo mpivavaka tany Ankotrokotroka Talata Volonondry,... Ampahany ireny, fa raha miverina amin’ireo tranga tany aloha, dia isan’ny nitana ny sain’ny maro ny raharaha fahitana faty miisa 3 nifatotra teny Antanifotsy Ampitatafika ny may 2019, ny raharaha fahafatesan’ilay tovolahy antsoina hoe Nasandratra Valimbavaka teny Ivato ny jona 2021.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap