airtel

Fandriampahalemana

29-avril-2025

TEZITRA ILAY RAMATOABE

Notsatohany antsy ilay zaza vao 3 taona monja

Sample post image

Tena efa mivadika ho biby ny olombelona ankehitriny.

29-avril-2025

Entin’ny fo rano mafana aterak’ireo olam-piainana maro samihafa ny sasany dia manaotao foana. Ramatoabe iray no fantatra fa nahavita nanatsatok’antsy zazalahy kely iray vao 3 taona monja tany Nosy Be Hell ville tany ny Sabotsy 26 Aprily lasa teo. Raha araka ny fantatra dia nifamaly tamin'ny Renin'ity zaza ity ilay Ramatoabe izay marihina fa efa 53 taona. Rehefa nandeha teo ny vava maro isan-karazany dia notsatohiny antsy tampoka ny fen’ilay zaza tsy manan-tsiny raha iny nipetraka tsy tamim-pisalasalana teo akaikin-dReniny iny ity farany. Nentina avy hatrany namonjy hopitaly moa ity farany raha niantsoana mpitandro ny filaminana kosa ilay Ramatoabe. Tafiditra ao anatin’ny herisetra hatao amin’ny ankizy ny fihetsika tahaka izao.
Pati
Legende : Ilay zaza naratra sy ilay Ramatoabe !

 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

tompon'ny Hotel Jardin de la mer

Card image cap
06-mai-2026

maty notifirin’ny zandary, mitroatra ny vahoaka…

Card image cap
06-mai-2026

faty nisy namono tao an-tokantranony

Card image cap
06-mai-2026

Voasambotry ny Polisy teny Ampasampito

Card image cap