airtel

Fandriampahalemana

19-févr-2024

Tobin’ny zandary notafihin’ny olona tao Ankazomiriotra

Fiara iray sy moto 7 may, basy maro very sy may

Sample post image

Sakoroka tsy nifankahitana ny tao Ankazomiriotra anatin’ny faritra

19-févr-2024

Vakinankaratra ny sabotsy lasa teo. Notafihin’ny andian'olona ny Tobin'ny Zandary, ka betsaka ny zavatra potika sy rava, ary very. Tovolahy iray maty notifirin'ny zandary tao Ivory ao anatin’ny Kaominina Vinany no fototry ny olana. Olon-dratsy io, hoy ny sasany, raha toa ka mandà ankitsirano izany ny havan'ny maty, ka niitatra tamin'izao fikomiana sy fanafihana Tobin'ny zandary ao Ankazomiriotra izao satria niakatra tao an-toerana ireo andian’olona. Raha ny fanazavan'ny zandary dia, hosamborina satria nahazoana toromarika avy amin'ny Fampanoavana ilay tovolahy. Voalaza ho nanohitra izy ary andeha handrombaka basin'ny zandary, ka izay no nahavoatifitra azy, hoy ny andaniny. Nentina notsaboina, hoy ny zandary, saingy tsy tana ny ainy. Tezitra ny havany ka nirohotra teny amin'ny zandarimaria Ankazomiriotra hoe : hanatitra an’ilay faty tao amin’ny zandray hoe ataovy laoka. Raikitra ny famotehana sy ny fandoroana ny toby. Vokany, betsaka ny zavatra potika ary nisy fitaovam-piadiana maro voalaza fa very. Fiara 1 sy moto 7 no levon'ny afo no tena hita maso. Ny loharanom-baovao hafa kosa dia mitatitra fa very ny basy miisa telo (03) PA mac 50 NR 585-588 ary 592 ary iray (01) PM MAT 49 NR G56385. May kosa ny basy FSA miisa roa (02) NR 12009642-12009723; FC BAIKAL CAL 12 iray (01) NR 09024428 ; FUSIL A POMPE HP 9 iray (01) NR 013211815 4/ ; FUSIL ANTI- EMEUTE NARG iray (01) NR 3585207 ; MAS 36 iray (01) NR FG 61665 ; ARMES SAISIES MUNITIONS iray (01). Very ihany koa ny PERDUES: CART 7,5 LOT SFI 81 76 MU : CART 61-98 35 MU ; CART 539-84 113 MU; VAKI 19 250 MU ; VAKI 20 390 MU ; GRENADE A MAIN LAC 65 mm TNF 11 lot 2019/11 iray (01) ; GRENADES A MAIN TNF 05 miisa telo (03) ; GRENADES A MAIN TNF 04 miisa fito (07) ; GRENADES A MAIN TNF 01 miisa folo (10) ; CART CAL 12 miisa 36. Misy ihany koa ireo CHARGEURS very toy ny EBONITES POUR AKM 04 ; CHARGEUR PM MAT 39 iray,… Ampahany amin’ireo zavatra very sy potika ireo ary voalaza fa potika hatrany amin’ny 30% ny tobin’ny zandary ao Ankazomiriotra.
MISY LONILONY…
Ny tena zava-doza tao anatin’ity izany, dia vaky sy rava hatramin’ny toeram-pitehirizana ireo fitaovam-piadiana. Ny takarivan’ny sabotsy, dia efa niverina nilamindamina ny filaminana. Tsy nisy ny aina nafoy na teo amin'ny mpitandro filaminana na teo amin'ireo andian'olona mpikomy. Efa nidina tany an-toerana ny Governoran'ny faritra Vakinankaratra, ny Kolonely Komandin'ny faripiadidian'ny zandarimaria Antananarivo, ny Komandin'ny Vondron-tobim-pileovan'ny zandarimaria Vakinankaratra. Ireo olom-boafidy sy voatendry eo anivon'ny distrika sy kaominina. Nanao ny fandaminana sy fifampiresahana. Nalefa any an-toerana rahateo ireo zandary sy tafika avy amin’ny 2e Cie infanterie Mandoto manamafy ny fampandriana fahalemana ny tananan’Ankazomiriotra. Zava-doza ary tsy azo hamaivanina sy sokajiana ho tranga maningana ny tahaka izao, fa mety endrika iray manamafy ny mety ho fisiana lonilony eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka, izay mety samy manana ny heveriny fa ho marina aminy. Tsy vao tranga iray rahateo no mitovitovy amin’izao, indrindra ny resaka fanafihana toby. Andrasana ny tohiny!
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap
13-mai-2024

Nifanakalo traikefa sy nanamafy ny fahaiza-manao amin'ny fampiasana basy sy tafondro

Card image cap