airtel

Fandriampahalemana

12-mars-2025

Tohin’ny raharaha cocaïne tao Nosy Be

Zandary 7 nidoboka any Tsiafahy, sivily 4 any Antanimora

Sample post image

Nahatratra 15 ora ny fakana am-bavany ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha

12-mars-2025

fanodinkodinana zava-mahadomelina mahery vaika manodidina ny 200kg tao Nosy Be. Niditra teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) 67HA ny alatsinainy tamin’ny 3 ora tolakandro, ka omaly tamin’ny 6ora maraina vao vita, raha ny tatitra naparitaky ny fampahalalam-baovao. Miisa 14 ireo voarohirohy, ka nidoboka any am-ponja avokoa. Nalefa any Tsiafahy ny zandary miisa 7 izay ny commandant de compagnie an’ny zandary ao Nosibe Hell Ville sy ireo zandary 6, raha misy zandary iray hafa voalaza fa mbola manaraka fitsaboana any amin’ny Hopitaly. Miisa 8 izany ireo zandary tafiditra amin’ity raharaha ity. Eny Antanimora ireo sivily 4 ka anisany ireo vehivavy miisa 2 nahatrarana ireo zava-mahadomelina ny 02 aogositra 2024. Andrasana izany ny fitsarana sy didy raikitra mikasika ity raharaha ity, izay toe-javatra anisan’ny manaratsy endrika ny mpitandro filaminana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap