airtel

Fandriampahalemana

19-mars-2024

Tompon'andraikitra ambonin'ny tafika

Nivory 2 andro, nomen'ny PM toromarika

Sample post image

Nifarana omaly ny fivorian'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika Malagasy,

19-mars-2024

ka nanatrika ny famaranana ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena. Fanamafisana orina ny fandriampahalemana efa misy sy manakaiky vahoaka ataon'ny Tafika malagasy, izay mitondra filaminana sy fampandrosoana no santionan'ireo toromarika hentitra nentin'ny Praiminisitra Lehiben'ny Goverinemanta NTSAY Christian, tamin'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika, namarana ny fivoriana notontosaina nandritra ny 2 andro, tao amin'ny CEMESS Soenierana, hoy ny tatitra. Maro amin'ireo Faritra mena nisian'ny fakana an-keriny sy halatr'omby no nambara fa efa voafehin'ny milamina amin'izao fotoana izao. Nankasitraka ny ezaka vitan'ny Tafika malagasy nametraka fitoniana, sy mbola manao ny ainy tsy ho zavatra hampandry fahalemana eto Madagasikara ny Praiminisitra, izay nanamafy hatrany ny lanjan'ny firaisankina eo amin'ireo samy mpitandro filaminana, hoy hatrany ny tatitra. Nitatitra ireo tomban'ezaka sady nanoritsoritra ireo paikady hanatratrarana ny fanamby ho an'ny Minisiteran'ny Foloalindahy kosa, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy. Araka izany dia hanatanteraka ny tsoa-kevitra nivoaka nandritra ity fivorian-dehibe ity avy ireo tompon'andraikitra ambony rehefa samy tafaverina any amin'ny toerany iasany avy. Na izany aza, azo lazaina ho betsaka ny ezaka andrasana amin'izy ireo manoloana ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy raha tsy hilaza afatsy ny fanafihana mitam-piadiana ranolava, vono olona mahatsiravina,... Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap