airtel

Fandriampahalemana

24-mai-2024

Tovolahy lasa dahalo

Maromaro ireo antony

Sample post image

Lasa manao dahalo ireo tovolahy noho ny antony maromaro,

24-mai-2024

hoy ny fanazavana voaray teo anivon’ny fiadidiana ny zandarimaria. Antony iray ny hoe satria izy efa zanaka dahalo. Faharoa ny hoe lasan'ny dahalo ny ombiny dia mba maka koa izy. Mety koa hoe kamo hitana angady sy hifototra amin'ny asa fambolena. Misy koa ireo voaroakan'ny rainy fa tia toaka loatra. Eo koa ny fananana naman-dratsy. Tsy nanaiky azy ny tovovavy nilainy ka ny ombin'ny dadany no alainy. Ao ny fialonana fotsiny. Ao ny tezitra tamin'ny prezidan'ny fokontany fa nampanaoviny asa fiambenana. Te hitovy amin'ny hafa nefa tsy ampy ny enti-manana. Tsy te ho hendry loatra fa ny maditra no tian'ny tovovavy. Akaiky ny fety kanefa tsy manam-bola. Ny sasany manana fomba fijery hoe tsy mahafaty akory kay ilay migadra, hoy hatrany ny CIRGN Antananarivo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap