airtel

Fandriampahalemana

11-janv-2024

Trafika sy fipariahana fitaovam-piadiana

Tena tsy misy hidiran’ny olona ambony sasany ve ?

Sample post image

Toe-javatra saro-pehezina eto amintsika amin’izao fotoana izao

11-janv-2024

ny tsy fandriampahalemana, izay saika manerana ny Nosy. Manao izay ho afany ny mpitandro ny filaminana hamongorana ny asan-jiolahy, mivarotra aina, ary misy mihitsy aza mamoy ny ainy,… Betsaka ny vokatra azo saingy miharihary ihany koa ny mbola fanjakazakan’ny jiolahy. Iny nambara fa voafehy iny ohatra, ny trangana «kidnapping» tao amin’ny distrikan’Ankazobe, kanefa dia iny niaraha-naheno iny fa notafihin’andian’olona nanao fanamiana mitovy ny an’ny mpitandro filaminana ireo olon-dratsy, izay hary fitaovam-piadiana. Avy aiza marina ireny no mivoaka? Iza no ao ambadiky ny tambajotrana fanapariahana na sanatria trafikana fitaovam-piadiana? Tany aloha dia nisy ny karazana ampamoaka sy fanononana olona ambony ahiana ho atidohan’izany, nisy ny olom-boafidy nisy naka « vidéo » mizara bala amin’ny olona, nisy solontenam-pokonolona teny ifotony tahaka ny tany Antsalova nanao ampamoaka amin’ny ahiahy fa misy manam-pahefana ambadiky ny asan-dahalo,… Mbola raharaha mifandraika amin’ny ampamoaka momba ny tsy fandriampahalemana no nanagadrana an-dry Mahery Lanto Manandafy. Io ihany koa fa mifoha ny karazana tsikera sy fanontaniana mikasika vadina minisitra iray teo aloha, izay nosamborina sy naiditra am-ponja taorian’ny fahavitan’ny fisaraham-panambadiany ka nilazany fa hanao ampamoaka maro. Teo anatrehan’ny famohazana io resaka io niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera izay nanononana anarana Minisitra iray teo aloha ho mpiray tsikombakomba amin’ny vadiny teo aloha amin’ny afera goavana mombana trafikana fitaovam-piadiana, dia nilaza ny fampahalalam-baovao iray, fa tsy hita izay hanenjehana an’ilay olona satria miteny ho azy na ny asa vitany na ny fomba fitantanany nadio nandritra an’izy nitondra minisitera. Dia satria ho avy ny fanendrena mpikambana vaovao ao amin’ny governemanta, io olona io anisan’ny tanjaky ny fitondrana sahy mijoro miaro hatrany ary tena « bête noire » an’ireo mpanohitra satria tsy vitany mihitsy ny manozongozona azy, dia hamoronana lainga marivo tototra ndray aloha hoe hanasoketana azy, hoy ity fampahalalam-baovao ity. Tsiahivina, fa rehefa natao ny fisavana teny Ambatolampy Tsimahafotsy toeram-ponenany, dia nahitana fitaovam-piadiana mahery vaika maro dia maro, izay tsy azon’ny sivily tazonina ny ankamaroany. Tany aloha dia efa nisy ilay resaka fitifirana sy basy nipoaka teny Ambatobe, izay ny Prefen’Antananarivo mihitsy no nilaza sy nanamarina ny fisian’izany. Nahoana no efa taty aoriana nisian’ny disadisa teo amin’ny roa tonta vao nandeha ny fanenjehana sy ny famakiana bantsilana fa mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika ilay vadina minisitra teo aloha izay nanam-pahefana tao anatin’izao fitondrana izao fa niala? Dia tena tsy mahafantatra ny fisian’izany ve ny vadiny taloha fony mbola niara-dàlana sa niray tsikombakomba sy nifampiaro ? Tena tsy mahafantatra ny fihavian’ireny fitaovam-piadiana mahery vaika ireny sy ny mety ho tambajotra mamatsy azy tokoa ve kanefa heverina fa tamin’ny fotoana mbola naha mpivady azy ireo no nisehoany? Sao dia mba any no isan’ny fanalahidy hiadiana amin’ny trafika na fanapariahana fitaovam-piadiana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap