airtel

Fandriampahalemana

14-déc-2022

Fandriampahalemana

Trafikana Volamena 780 miliara Ar ny vola very ny 2018-2021

Sample post image

Nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021, nahatratra 772 miliara Ar izany hoe efa mananika ny 780 miliara Ar ny teti-bidin’ny vola vahiny tokony ho nampidirin’ny fanondranana volamena teto Madagasikara saingy very,

14-déc-2022

ary 15,5 miliara Ar kosa kosa tokony hiditra amin’ny Fanjakana kanefa votsotra vokatry ny lesoka ara-pitantanana ny tontolon’ny volamena eto Madagasikara, raha ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty omaly 13 desambra 2022, natao teny amin’ny Fitsarana Tampony Anosy. Anisan’ny nanaovan’izy ireo fanadihadiana io sehatra io, izay nahitana lesoka goavana. Maro ny endrika tsy fanarahan-dalàna, ka nahitsy ny Filohan’ny Fitsarana momba ny kaonty Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina nilaza fa ananantsika betsaka ny volamena, kanefa lasa malaza tsy hihinanana tahaka ny vilian-tsahona. Tao anatin’ny 15,5 miliara Ar izay tamberiny, dia 4,5 miliara Ar ho an’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny tamberim-bidy na « redevances minières » ary 11 miliara Ar dia “ristournes” na tamberiny miverina any amin’ny Vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana hanamboarana fotodrafitrasa, ka 6,5 miliara Ar kosa no hiverina amin’ny Kaominina. Tsy voafehy ny antontan’isa, tsy azo itokiana, samihafa ny voalazan’ny eto an-toerana sy ny avy any ivelany hoe: avy eto Madagasikara. Tsy mitovy ny tatitra miainga avy eto Madagasikara momba ny fanondranana vita sy ny any amin’ny firenena mandray ny volamena, ka ny 2018 dia 130 kg ny elanenelana ny 2018, nahatratra 680kg avy anefa ny 2019 sy 2020; ary nahatratra 2500kg ny taona 2021. Nisy elanelana 4,5 taonina ny volamena nanaovana fanambarana sy ny lanjany tonga tany amin’ny firenena nandray ny volamena avy aty Madagasikara ny taona 2018-2021, ka manome ilay 780 miliara Ar ny vola tokony ho niditra kanefa very.
NAHATRATRA 18 NY TRAFIKA
Vao eny ifotony dia efa misy lesoka. Isan’ny nanaovan’ny Fitsarana momba ny kaonty fanangonam-baovao ny tao amin’ny Faritra Betsiboka izay isan’ny faritra mpamokatra volamena betsaka eto Madagasikara. Tao anatin’ny fanadihadiana ireo mpitrandraka sy mpivarotra ary mpifidy tao anatin’ny Kaominina Andriba, Antanimbary, Antsiafabositra, Beanana, Maevatanana I /II, ka nahitana fa ny asa firandrahana dia tsy ampy fanaraha-maso sy fampanarahan-dalàna avy amin’ny manampahefana eny anivon’ny kaominina sy ny Antokon-draharaha nasionaly misahana ny sehatry ny volamena na ny ANOR.
IREO TRAFIKA
Momba ny trafika, nahatratra 18 ny fikasana hanondrana volamena an-tsokosoko saron’ny fadin-tseranana nanomboka ny 2018-2021, ka 4 tamin’ny 2018, niisa 2 tamin’ny 2019, nahatratra 5 tamin’ny 2020, ary tafiakatra 7 ny 2021, araka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty. Tafiakatra 145 290, 63 grama, izay manome 6 538 078,35 Ar raha tombanana ho 45 dolara/grama , izany hoe 23 537 082 060 Ariary. Trafikana volamena no isan’ny trangana trafika betsaka indrindra sarona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy Be. Mumbai, Dubai, Addis Abeba, Maurice, Nairobi, Seychelles no isan’ny làlana halehany matetika. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa notapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny 23 septambra 2020 ny fampiatoana ny fanondranana volamena. Ny tratra ihany ireny voaresaka ireny, fa mety mbola avo 10 heny amin’ireny raha kely ny tsy tratra, raha tarafina amin’ny zava-misy eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap