airtel

Fandriampahalemana

30-juin-2025

Trangam-piarahamonina nahatsiravina

Novonoin-drangahy ny vadiny, maty voatifitra izy avy eo

Sample post image

Renim-pianankaviana iray nofirain’ny vadiny tamin’ny antsy ny tendany,

30-juin-2025

ka maty tsy tra-drano. Tranga tany Ankarimbary, distrikan’i Vohipeno faritra Fitovinany, niseho ny faran’ny herinandro teo izy ity. Romotra tanteraka ity rangahy ity ka na ireo fokonolona aza tsy sahy nanatona, mbola nikiry hamaly an'ireo mpitandro ny filaminana ihany koa izy ka voatery niafara tamin’ny fitifirana, hany ka maty tsy tra-drano ihany koa ity lehilahy ity. Namela kamboty 3 mianadahy izy ireo. Toe-javatra maneho sy manamafy ny tahaka itony, fa mikorontana sy misavoritaka tanteraka ny fiarahamonina Malagasy. Mihamafy ny herisetra izay mety ho antony ny rotorotom-piainana, fahantrana, fitotonganan’ny fanabeazana,… hany ka betsaka ny manao zavatra tsy am-piheverena, tsy mietritreritra izay vokany sy ny fiafarany. Tena marary mila fitsaboana ny fiarahamonina sy ny Firenena.
Nangonin’i Toky R

 

Dans la même rubrique