airtel

Fandriampahalemana

23-janv-2024

Trangam-piarahamonina

Pasiteran’ny fiangonana zandriny ahiana ho nangalatra moto

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Fianarantsoa tany.

23-janv-2024

Very ny kodiaran-droa na ny moto an’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana. Nametraka fitoriana ity farany noho izany ka nanomboka nanao fikarohana ny mpitandro ny filaminana. Fotoana fohy taorian’izay dia hitan'ny mpitandro ny filaminana teny amin'ny mpandoko moto ny fitoeran-tsolik'ilay moto izay voalaza fa very. Rehefa natao ny fikarohana dia nanoro ilay olona tompony ilay mpandoko moto nahafahana nisambotra ilay tena mpangalatra. Voalaza ho pasitera amina fiangonana zandriny ao Fianarantsoa anefa ity farany. Mbola nahitana kojakojana moto koa moa tao an-tranon'io pasitera io rehefa natao ny fisavana azy, ary fantatra fa efa nisy moto iray hafa koa natakalony tany amin'ny olona tao Fianarantsoa ihany. Hatao famotorana ao amin'ny Section de recherches Criminelles any an-toerana ity lehilahy ity hatramin’ny omaly ary hatolotra ny fitsarana rahampitso Alarobia rehefa vita izany. Ankoatra ny fahafaham-barakan’ny fiangonana zandriny moa dia anisan’ny tena mampalahelo amin’ny tranga tahaka itony ny fanalam-baraka ny anaran’Atra izay hivavahan’ny maro.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy voalaza fa pastera amina fiangonana zandriny voalaza fa nangalatra moto !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap