airtel

Fandriampahalemana

12-avril-2024

Fandriampahalemana

TSARAHONENANA ITAOSY Jiolahy sarona namaky trano tamin’ny 06 ora hariva

Sample post image

Jiolahy iray 25 taona no nosamborin'ny polisy tao amina tokantrano iray teny Tsarahonenana Itaosy ny 09 aprily teo tokony ho tamin'ny 06 ora hariva rehefa nikasa hamaky trano.

12-avril-2024

 Voatery nanapoaka basy ny Polisy miasa ao amin'ny Kaomisarian’ Itaosy namoahana ity jiolahy ity tao amin'ny fiereny. Raha tsiahivina kely ny tantara dia gaga ilay tompo-trano raha nahita ny tranony voakorontana tanteraka rehefa avy niasa. Niantso ny Polisy avy hatrany ity farany ka tonga ara-potoana ireto farany. Rehefa niditra ny trano ny polisy dia hita tokoa fa mbola vao tsy ela no nisy nanakorontanana ilay trano ary noahiana fa mbola tao anatin'ilay trano ny mpanao ratsy. Rehefa natao ny fisavana dia heno fa niafina tao amin'ny elanelan'ny tafo sy ny "plafond" ny anaolahy. Nanao ny fomba rehetra hampidinana ny mpamaky trano avy ao ambony "plafond" ny Polisy fa nandà hatrany ity farany, hany ka tsy maintsy nanapoaka basy ireto farany mba hampidinana azy tao. Mbola nitondra fitaovam-pamakiana trano toy ny "bar pince" ity jiolahy ity ary efa maro no entana voakorontana. Tsy nahatondra na inona na inona kosa anefa izy noho ny fanakanana azy teo am-panatanterahana izany asa ratsy izany. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy Itaosy moa izy nanaovana fanadihadiana ary fantatra tamin'izany fa mponin’ Ambodifasika eny Itaosy ihany izy. Hiakatra fitsarana anio Zoma moa ny anaolahy raha araka ny fantatra.
Pati
Legende : Ity ilay jiolahy niafina tao anaty plafond !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap