airtel

Fandriampahalemana

30-mars-2026

Tsy fandriam-pahalemana

Lehilahy iray mpanamboatra

Sample post image

basy voasambotra

30-mars-2026

Tokantrano iray ao Atsimontsena Tsiroanomandidy tampon-tanàna no nahazoan'ny Polisim-pirenena ao Bongolava angom-baovao fa misy fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna. Nidina nanao fisavàna io tokantrano io ny Polisy ny tolakandron'ny 27 Martsa 2026 ka hita tao tokoa ny karazana basim-borona sy basy poleta maromaro ary misy basy vita gasy ireto tratra ireto. Voaporofo ihany koa fa mamboatra kojakoja fanao amin’ny basy ilay lehilahy tompontrano. Nosamborina avy hatrany moa ity lehilahy mpanamboatra basy vita gasy ity ary nentina eny amin'ny biraon'ny Polisimpirenena nanaovana fanadihadiana. Voaporofo fa mampiasa basy vita gasy ireo jiolahy tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana miseho ao amin’ny faritra Bongolava.
Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap