Isan’ny notsipihin’izy ireo ny fahatapahan-jiro mampikolay, izay miteraka tsy fandriampahalemana. Manomboka amin’ny 6ora hariva, tsy miverina raha tsy amin’ny 6ora maraina, hoy izy ireo. Vokany, ny tao Morondava manokana fotsiny dia tsy latsaky ny 3 no maty tao anatin’ny herinandro. Mirongatra ny halatra maso, halatra taova, halatra omby,… saika manerana ny faritra. Mahatsapa ho tany lavitr’andriana, ka raha ny ao Morondava hatrany izay Renivohi-patritra dia tena farany amin’ny fampandrsoana, tsy misy lapan’ny tanàna fa trano efa hatry ny fanjanahan-tany, mainka fa ny any amin’ny faritra hafa. Maninona no tsy homena ben’ny tanàna voafidim-bahoaka izahay? Hoy ny fanambarana. Betsaka ny fampanantenana natao tamin’ny vahoaka fa tsy misy tanteraka. Very fanahy mbola velona, lasan’ny olona ny omby,… ka rehefa fotoam-pifidianana vao mba misy mahalala i Morondava, hoy izy ireo. Tsara ny manamarika fa isan’ny nahazoan’ny kandida N°25 Marc Ravalomanana vato betsaka ny Faritra Menabe ka asa na misy ifandraisany amin’izany na tsia ny mety ho fanaovan’ny Fanjakana ankehitriny anjorom-bala azy ?
Toky R
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.