airtel

Fandriampahalemana

24-avril-2025

VAKY FASANA SESILANY AO AMBATOMANGA

« Drokitrokian’ny jiolahy ny mponina satria mahantra»

Sample post image

Lasa faritra mena ny tananan’Alarobia Ambatomanga raha faran’izay nilamina teo aloha.

24-avril-2025

Tato anatin’ny iray volana mantsy izao dia fasana miisa 3 no indray vaky ka vao tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo ny iray farany raha araka ny fanazavan’ireo valala mpiandry fasana. Tamin’ny volana Septambra taona 2024 kosa no nitranga ny vaky fasana iray ka ny lohan’ireo olona efa maty sy ny lambany nofonosan’izy ireo sisa no navelan’ireo tsy mataho-tody. Raha araka ny fanazavan’ireo valala mpiandry fasana hatrany dia vokatry ny fahasahiranana mianjady amin’ny mponina no mahatonga izany. Tena mafibe ny fiainana ao amin’ity kaominina ity amin’izao hoy hatrany ny fanazavany indrindra fa ny resa-bola izay tena mangidy tokoa. Tsy maharitra ny drokidrokin’ireo jiolahy avy any ivelany ireo tsy an’asa…vokatr’izany hany ka manaotao foana. Nomarihiny moa fa mbola tsy nisy tratra ireo mpanao ratsy. Ny hany fantatra hoy izy dia misy miray tendro amin’izy ireo ny olona ao an-tanana.
Pati
Legende : Hanjakan’ny vaky fasana ny ao Alarobia Ambatomanga !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap