airtel

Fandriampahalemana

04-févr-2026

Vaky fonja tao Moramanga

Voasambotra ny lehiben’ny efitrano iray

Sample post image

Voasambotry ny mpitandro

04-févr-2026

filaminana tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Fierenana i Fararano Gilbert Velojaona Velomaro, isan'ireo 14 lahy namaky ny fonjan'i Moramanga izay ny 1 febroary 2026 teo. Fantatra fa «chef de chambre» na lehiben’ny efitrano anaty fonja laharana voalohany na n° 1 ity voasambotra ity. Ahiahiana ho isan'ireo atidoha nikotrika ny famakiana fonja ihany koa izy, raha ny fanampim-baovao voaray hatrany. Tsiahivina moa fa ny alin’ny 31 janoary teo no nitrangàn’ity vaky fonja tao Moramanga ity. Mitohy ihany koa, araka izany, ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ireo voafonja 11 mirahalahy hafa satria efa nisy 2 voasambotra ankoatra an’i Gilbert.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

politika mamoafady...

Card image cap
16-juil-2026

Nentin-dRainy, tsy nifanarahana tamin-dReniny

Card image cap