airtel

Fandriampahalemana

12-août-2024

VAKY TRANO TENY AMBOHIMANGA ROVA

Sarona teny Ambodisiarivo ny olona nitondra ilay moto

Sample post image

Nitrangana vaky trano tany amin’ny kaominina ambanivohitr’Ambohimanga Rova,

12-août-2024

distrikan’Avaradrano afak’omaly Sabotsy 10 Aogositra alina. Tokantrano iray no lasibatra tamin’izany ka anisan’ny nanjavona tsy teo amin’ny toerany intsony ny vata fahitalavitra sy ny kodiaran-droa an’ny tompon-trano. Sendra nifoha nivalan-drano ity farany no gaga raha nahita fa nivoha nidanadana ny varavarankely ary efa tsy tao amin’ny toerany intsony ireo fananany ireo. Nampandre ny Zandary ao amin'ny Borigadin’Ambohimanga Rova ny tenany ka natao ny fitsirihana sy ny fanarahan-dia.Noho ny paikady efa napetraka mialoha sy ny fiaraha-miasa amin'ireo sefom-pokontany ao an-toerana dia voasambotra teny Ambodisiarivo ny olona nitondra ilay Moto. Nanonona ny namany niara-nanao ny famakiana trano taminy ity farany ka olona miisa 3 no voasambotra, voarohirohy ho nandray anjara mivantana sy niray tsikombakomba tamin'izao raharaha izao. Renim-pianakaviana mitaizakely ny iray. Entana maro azo avy amin'ny asa ratsy fanaon'izy ireo ihany koa no mbola sarona nandritra ny fanadihadiana izay natao.
Pati
Legende : Ireto ry zareo niray tsikombakomba tamin’ilay vaky trano !

 

Dans la même rubrique

23-juin-2025

Raha ny vaovao re farany omaly alahady momba ilay sakafo namono olona teny Ambohimalaza dia 24

Card image cap
23-juin-2025

lehibe iray no hita faty mihoson-drà tao amin'ny fokontany Ampahibe, kaominin'Ampasimazava,

Card image cap
23-juin-2025

Tovovavy kely iray manodidina ny 20 taona antsoina hoe : Clémentine monina ao

Card image cap
20-juin-2025

Jiolahy iray voalaza fa badin’ny Fasan’i Karana no tratra tao anaty

Card image cap