izay milanja 167,300 kg sy ny mpisera azy iray rehefa natao ny vela-pandrika tany Vangaindrano. Tafaporitsaka ny olona roa raha vao nahita zandary. Raikitra ny fanenjehana tao anaty haizina ka tsy hita ny iray fa ny faharoa nitsoraka tao anaty rano no nipoitra teny am-povoany. Nampitandremana sy nanaovana tifi-danitra izy io fa tsy nanaiky ka voatery nitifitra ny zandary ary nahavoa ny lohany. Teo vao nanaiky hiverina izy ary nentina teny amin’ny hopitaly haingana ka efa tsy misy ahiana ny ainy. Mbola karohina kosa anefa ilay tafatsoaka. Nogiazana ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Vangaindrano moa ireo rongony ireo ary mitohy ny fikarohana.
Pati
Zana-tsokatra miisa 105 saika ahondrana an-tsokosoko no tra-tehaky ny mpiasan’ny