feno habibiana teto amintsika. Ireo zazavavy sy tovovavy kely no tena mitondra faisana amin'izany izay nalaina an-keriny ny sasany, naolana ary novonoina. Nisy indray ireo nirava avy nianatra dia tsy nody intsony ka ny vatana mangatsiakany sisa no hita....Miisa 4 ireo lasibatra fantatra tamin'ny herinandro teo raha kely. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin'ny Razanabahiny Victorine psikology dia vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana no antony mahatonga izany tranga mampalahelo izany. Ao anaty finday sisa ireo tanora no maka fahalalana hany ka manao fakan-tahaka diso sy tsy mihaino ny Ray aman-dReny intsony. Ireto farany koa eo an-daniny entin'ny hasarotan'ny fiainana ka tsy manam-potoana hanaraha-maso ny fiainan-janany intsony. Vahaolana aroson'ity psikology iray ity noho izany ny tokony hamerenana ilay taranja Fanabeazana olom-pirenena vanona eny anivon'ny sekoly. Toraka izany koa ny tokony hanaovan'ny Fitondram-panjakana ezaka hanafoanana ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina eto amintsika izay notsiahiviny fa tena mampidi-doza tokoa. Tsiahivina moa fa anisan'ny tranga mampalahelo tazana eny anivon'ny fiaraha-monina moa amin'izao ny fisolokiana, ny fivadiham-pitokisana, ny hakizintinana...Vokatry ny fahantrana indray no antony mahatonga ireto farany raha araka ny fanazavany. Sahirana ny olona amin'ny fiatrehana ny fiainana hany ka manaotao foana sy tsy miitandro fihavanana intsony. Na mifandona eny an-dalana aza dia efa manangana ady....Manampy trotraka izany koa ny rivotra politika mitsoka izay nomarihiny fa tsy mety marin-toerana ho antsika eto Madagasikara.
Pati
Légende : Nahazo vahana ny vono olona teto amintsika tato ho ato !