Ny faran'ny volana jona raha tsiahivina no nanafika tanana iray tao Ihosy tao amin'ny fokontany Ambaniandrefana ireo jiolahy. Olona iray no maty tamin'izany ary omby miisa 03 no saika lasan'izy ireo saingy tonga ara-potoana ny Polisy. Nitsoaka nandositra ireo olon-dratsy nandritra izany ka tsy tanteraka ny asa ratsiny. Fotoana vitsy taty aoriana, naharay antso tamin'ny olona tsara sitrapo ny Polisy tao Ihosy fa misy andian-jiolahy miisa 05 mirongo basy tao amin'ny fokontany laborano ho any Ihosy hiverina ao amin'ilay fokontany Ambaniandrefana izay voatafika tsy ela ka haka ilay omby 03 tsy azony. Nandefa polisy avy ao Ihosy sy Ihorombe hanakana ireto jiolahy. 10km tsy idirana an'Ihosy, rehefa nahatazana ny Polisy ireto jiolahy tonga dia nitifitra avy hatrany. Namaly izany koa ny Polisy. Vokany, jiolahy iray no lavo, roa kosa azo velona niaraka tamin'ny basy ary ny roa ambiny lasa nirifatra nitsoaka. Mbola eo am-pikaroana azy ireo ny Polisy. Noentina teny amin'ny biraon'ny polisy ireo jiolahy velona nanaovana fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy tratra
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.