raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Namoizana ain'olona miisa 4 tao Antsaha, fokontany Andodona, kaominina Kelilalina, distrikan' Ifanadiana ny alin’ny alakamisy nifoha zoma 5 aogositra teo izany. Disadisam-piaraha-monina vokatry ny ady tany no niteraka valifaty ka nahatonga ity famoizana ain’olona ity. Ankizy ny 3 tamin’ireo olona 4 maty. 6 taona ny zandriny indrindra ary 9 taona ny zokiny indrindra. Nokapaina tamin'ny famaky avokoa izy ireo. Vehivavy iray no naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana eny amin'ny tobim-pahasalamana. Trano miisa 3 no may. Tsy maintsy averina amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana amin’iny faritra iny ary tsy maintsy anaovana ezaka manokana ny fikarohana ny olo-meloka rehetra izay manakorontana ny fiainam-piarahamonina, hoy ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Vatovavy, ny lietna kolonely Rakotojaona Jacquot.
J. Mirija
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.