airtel

Fandriampahalemana

15-mars-2024

VONO OLONA TAO MATSIATRA AMBONY

Olona 15 isa no voasambotra, vehivavy ny 04

Sample post image

Olona miisa 15 ka vehivavy ny 04 no voasambotry ny Polisy miasa ao

15-mars-2024

amin ' ny Fitaleavam - paritry ny Filaminam - bahoaka DRSP Haute Matsiatra tao amin ' ny fari - piadidiany ny fiandohan’ny herinandro teo noho ny resaka vono olona sy halatra miharo vaky trano. Nidina ifotony ny Talem - paritry ny Filaminam - bahoaka DRSP Haute Matsiatra, nitafa tamin ' ireo Polisy miasa any an - toerana, nanatanteraka fanentanana mahakasika ny ady amin ' ny kolikoly na ny PILCC(Politique Interne de la Lutte Contre la Corruption).Nandritra izany no nanomezany baiko noho ireo trangana tsy fandriampahalemana isan-karazany izay mety hiseho any amin ' iny faritra iny. Notanterahana ary nohamafisina avy hatrany moa ny baiko izay nomena tamin ' ny alalan ' ny fikatsahana ireo angom -baovao momba ireo tranga ratsy mpitranga, fanamafisana sy fanatevenana ny fisafoana na andro na alina, fanetsehana ny fiaraha - miasa amïn ' ny andrimasom-pokonolona fa indrindra ny fampandraisana anjara amin ' ny famoriana ireo lehiben ' ny Fokontany amin ' ny alalan ' ny SOA MIRAY DIA . Tra-tehaka nandritra izany ny lehilahy miisa 08 izay tompon’antoka tamin ' ny halatra miharo vaky trano miseho any an - toerana. Mboĺa tratra teny aminy avokoa moa ireo karazan ' entana maro nangalarina toy ny bisikileta, panneau solaire ary kojakoja hafa isan - karazany. Lehilahy 03 amin’ireo no voasaringotra amin ' ny resaka vono oĺona roa samy hafa raha mpividy ireo entana halatra ny roa ambiny. Efa mpamerin -keloka avokoa ny ankabeazan izy ireo. Pati
Legende : Ireto izy valo mianadahy anisan’ireo mpanao ratsy ao Matsiatra Ambony !

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap