airtel

Fandriampahalemana

05-mars-2024

Zandarimariam-pirenena

Tontosa omaly ny famindram-pibaikoana

Sample post image

Tontosa omaly 4 martsa tao amin'ny kianjan'ny Barea ny famindram-pibaikoana

05-mars-2024

teo amin'ny Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena vaovao natrehin'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian. Mivoatra ny adidy sy andraikitra ary isaorana indrindra ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina nanapakevitra ny hanomezana izany adidy sy andraikitra izany ho an'i Général de Divison Andriantahiana Jean Herbert Rakotomalala hoy ny Lehiben'ny Governemanta ary nohamafisiny fa tsy kilalao ny andraikitra na andrakandrana, ary ny fanomezana toky dia tokony hisy fahamendrehana eo amin'ny fanatanterahana azy. Ny tompon'andraikitra rehetra dia mila mijoro sy manatanteraka ny asany amin'ny rariny sy ny hitsiny amin'ny fotoana rehetra, na mora na sarotra mba ho tombotsoan'ny firenena. Nambara fa betsaka ny efa vita fa mbola maro ny adidy miandry ka ilaina ny fahaiza-manao, ny fitsipi-pifehezana ary indrindra ny ady amin’ny kolikoly izay tokony haseho isan'andro amin'ny fanatanterahana ny adidy sy andraikitra tanterahana. Dingana vaovao no tokony hiainan'ny zandary manomboka izao hanamafisana ny efa vita hatrizay. Mahereza ianareo ary matoky anareo ny firenena amin'ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ny andrim-panjakana ary indrindra ny fiandrianam-pirenena, hoy hatrany ny Praiminisitra Ntsay Christian. Miandrandra vokatra eo anatrehan'ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy ny vahoaka na an-drenivohitra na ambanivohitra satria na misy tokoa aza ireo vokatra dia mbola mampiteny ny moana ny zava-misy, ary indraindray mifangarika ny zava-mitranga rehefa hiaro mpanao politika sy ny sezany andaniny, ary rehefa hiaro ny vahoaka sy ny fananany ankilany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap