Tovolahy iray manodidina ny 30 taona no voarohirohy ho nangalatra zaza 6 taona tao amin’ny tsenan’i Dango, Faratsiho, ka nitarika tamin’ny fitsaram-bahoaka sy ny famonoana azy tsy nisy hantra. Raha ny voalaza fa fanazavan’ny « Quartier mobile » avy amin’ny fokontany misy azy sy ireo olona mahafantatra azy anefa dia tsy mpangalatra zaza velively izy fa olona tsy salama saina, kanefa dia notaperina ny ainy, nodorana ny vatany,... Tonga nijery ny zava-nisy ny Lehiben’ny District Ravololotinarisoa Alberthine, ny Solombavambahoaka Ramilison Nomenjanahary, ary ny Ben’ny tanànan’i Faratsiho Valohery Mampionona, niaraka tamin’ireo Mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nampitandrina izy ireo fa tsy azo ekena ny fitsaram-bahoaka satria tany misy lalàna i Madagasikara ary heloka bevava ny famonoana olona. Nanome toromarika ihany koa izy ireo mba hanatona avy hatrany ny Mpitandro ny filaminana raha misy tranga hafahafa. Tsihiavina hatrany, fa araka ny Lalàmpanorenana Malagasy 2010, ny Andininy faha 2 dia milaza fa “Ny fiainana sy ny maha-olona dia voaaro”, ary ny Andininy faha 8 dia manambara fa “Ny olom-pirenena rehetra dia mitovy eo anatrehan’ny lalàna, ary manana zo ho voaaro amin’ny fiainana sy ny fahafahana”. Ny Fehezan-dalàna famaizana (Code Pénal Malagasy) kosa dia mametraka amin’ny Andininy faha 295 fa heloka bevava ny famonoana olona, ary ny Andininy faha 302 dia manasazy ny fandraisana anjara amin’ny famonoana olona na amin’ny endrika fitsaram-bahoaka aza. Midika izany fa ny fiainana sy ny zon’olombelona dia tsy azo alaina amin’ny tanana fa ny fitsarana ihany no manana fahefana, ary mbola misy rahateo ny zo tsy maha meloka raha tsy efa misy didim-pitsarana raikitra na « présomption d’innocence ». Betsaka ny mety ho antony mahatonga ny olona hanao fitsaram-bahoaka toy ny hatezerana tafahoatra, tsy fahatokisana fahefam-panjakana,… saingy voararan’ny lalàn. Lesona goavana eo anatrehan’ny resaka kihonohono sy kitondrotondro molotra noho ny mety halako bika tsy tiko tarehy ny tahaka izao, izay maty hatramin’ny tsy manan-tsiny. Raha tsy voafehy dia mety hitarika amin’ny fifamonoana sy korontana ara-piarahamonina. Ilaina ny fanamafisana ny fanabeazana ara-dalàna sy ny fanentanana ny vahoaka mba hanajana ny lalàna sy ny zon’olombelona, na ekena aza fa betsaka ny lesoka, izay mila fanarenana avy amin’ny Fanjakana ihany koa.
Toky R