airtel

Fandriampahalemana

12-sept-2024

ZAZA VERY TETO AN-DRENIVOHITRA

Nahatratra 46 nandritra ny enim-bolana

Sample post image

Nahatratra 46 isa ny tranga filazana sy fitarainana zaza very nisy teto an-drenivohitra

12-sept-2024

voarain’ny sampandraharaha manokana misahana izany nanomboka ny volana Janoary taona 2024 ka hatramin’ny volana Jona lasa teo, raha araka ny loharanom-baovao azo. Ankizy eo amin’ny 4 ka hatramin’ny 16 taona eo ho eo ny ankamaroan’izy ireo raha ny fantatra ary ankizy nitsoaka ny tokantranon-dRay aman-dReniny avokoa ny ankamaroany. Antony mahatonga izany raha araka ny fanadihadiana natao ny fikorontanan’ny tokantranon’ny mpivady izay tena misy fiantraikany eo amin’ireo ankizy tokoa. Tsy lazaina intsony ireo mipetraka amin-dRaikely na amin-dRenikeliny ka mahatsiaro mijaly hany ka lasa miborioka. Misy kosa anefa ireo mandalo ny vanim-potoanan’ny adolantsento ka tsy maharitra ny rebireben’ireo namany. Tsy vitsy amin’ireo Ray aman-dReny noho izany no mitaraina mafy ny amin’ny hasarotan’ny fitaizana ny ankizy ankehitriny saingy tsy maintsy hatrehina.
Pati
Legende : Antony mampitsoaka ny ankizy hiala ny tokantranon-dRay aman-dReniny ihany koa ny herisetra mahazo azy tahaka izao ! 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

Card image cap
21-mai-2025

Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny

Card image cap
21-mai-2025

Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Card image cap