airtel

Fifamoivoizana

19-sept-2025

AMBATOMIRAHAVAVY

Moto 2 nifampitrongy, olona 3 naratra

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana omaly Alakamisy 18 Septambra

19-sept-2025

tamin'ny 12 ora sy 45 minitra tany amin'ny PK 20 + 100 Fokontany Antanimenabe, kaominina ambanivohitr' Ambatomirahavavy Distrikan'Arivonimamo. Moto Scooter JINGLANG manao taingin-droa avy eto Antananarivo hihazo an'i Imerintsiatosika no lasibatra. 41 taona ilay mpamily. Nifandona tamina Moto routière LONCIN manao taingin-droa avy Imerintsiatosika ho aty Antananarivo izy. 26 taona ilay mpamily. Vokatry ny fandehanana mafy tao anaty fiolahana dia tsy maintsy samy nangalatra an-kavanana daholo ny roa tonta. Tsy azo nihodivirana ny fifanaovana katro-doha nitalakotrokotroka ka samy naratra ny roa tonta. Na izany aza olona miisa telo no naratra mafy ka isan'ireo voa mafy ny mpamily roalahy raha maivana kosa ny an'ny fahaefatra.Nentina notsaboina haingana ireo naratra. Nampirimina ao amin'ny tobin'ny zandarimaria kosa ireo kodiarandroa simba. Ny Tobim-paritry ny zandarimaria Ambatomirahavavy no misahana ny famotorana.
Pati
Légende: Tahaka izao no fitrangan'ny loza !
 

Dans la même rubrique