airtel

Fifamoivoizana

23-sept-2022

Fifamoivoizana

Ambatotokana Antanetibe Antehiroka Mitoka-monina tanteraka vokatry ny haratsian-dalana

Sample post image

Anisan’ny tanàna nitoka-monina tanteraka ny faritra Ambatotokana Fokontany Antanetibe Antehiroka, kaominina Antehiroka hatramin’izay.

23-sept-2022

Vokatry ny haratsian-dalana no mahatonga izany izay fantatra fa tsy mba nojeren’ireo mpitondra nifandimby tao amin’ity kaominina ity mihitsy. Mahatsiaro mijaly ny mponina vokatr’izany, indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra. Tsy vitsy amin’ireo zaza amam-behivavy sy zokiolona no maratra sy mitondra takaitra tsy fidiny, antony nanosika ny Ben’ny tanàna Rivolalaina Vonjy Arthur hikiry hanamboatra izany. Nisy ny fidinana ifotony notanterahiny niaraka tamin’ny Ministeran’ny ny asa vaventy omaly ka fantatra tamin’izany fa hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana. Hatao rarivato iray manontolo ilay lalana raha araka ny fantatra, asa izay nambaran’ity Ben’ny tanàna ity hatrany fa hitohy any amin’ireo Fokontany hafa. Ankoatra izay dia notsindriany fa ezahina ihany koa ny hanamboatra sy hikarakara ireo karazana foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny filan’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro.
Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap