airtel

Fifamoivoizana

10-août-2026

AMBODIAFOTSY AMPITATAFIKA

Moto taingin-droa tra-doza,

Sample post image

maty ny iray

10-août-2026

Nitrangana loza mahatsiravina teny Ambodiafotsy Ampitatafika, lalam-pirenena voalohany, PK10+100 afak'omaly Sabotsy 08 Aogositra tokony ho tamin'ny 09 ora alina. Kodiaran-droa iray Scooter marika Kymco G5, nanao taingin-drery avy any Fenoarivo ho any Ampitatafika no tra-doza. Niala ny arabe ilay kodiaran-droa sy ny mpamiliny ka nivarina tany anaty tatatra. Tombanana ho vokatry ny fandehanana mafy loatra sy ny fisotroana no nahatonga ny loza. Maty tsy tra-drano vokatr'izany ny mpamily, izay tovolahy vao herotrerony tokoa. Potika tanteraka ihany koa ilay moto. Efa nantsoina moa ny fianakavian'ilay namoy ny ainy ka taorian'ny fizahana nataon'ny zandarimaria sy ny dokotera dia natolotra azy ireo ny razana. Tsiahivina fa mahatratra 10 isan'andro raha kely ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Tafiditra ao anatin'izany ireo mpitondra moto kodiaran-droa izay mihamaro tokoa ankehitriny.
Pati
Légende : Nitsirara tahaka izao ilay mpitondra moto !
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny

Card image cap