namaly ny antson’ny vahoaka tao Ambodivona-Ambohimanandray anatin’ny Faritra Ambohimanarina ihany koa ny Depiote Todisoa Andriamampandry. Vita ihany koa mantsy ny lalankely sy ny rarivato izay niangavian’ny mponina hatao. Nidina ifotony nijery izany sy nitafa tamin’ny mponina teny an-toerana ity depiote ity ny faran’ny herinandro teo. Niantso ny rehetra mba hikojakoja ny fotodrafitrasa vita noho izany ny tenany. Nanamafy fa « Ny Firaisankina no hery », ary «tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy». Ity depiote ity moa dia maneho hatrany fa tsy andraikitra fa adidy, ka miezaka manao izay vita sy tratry ny hery ho fanasoavam-bahoaka.
Toky R
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto