airtel

Fifamoivoizana

18-août-2026

ANDRAVOAHANGY

Mitera-doza ny lavaka be feno rano

Sample post image

Atahorana hamono olona ireo

18-août-2026

lavakabe feno rano any Andravoahangy, Boriborintany fahatelo. Taorian'ny ranon'orana teto an-drenivohitra hatramin'ny omaly Alatsinainy 17 Aogositra maraina mantsy dia saika dibo-drano avokoa ireo lavaka eny an-toerana. Misy amin'izy ireo no dalle izay antonony an-tsasaka kodiaran-droa mihitsy, raha ny fitarainana voaray. Mila mitandrina fatratra araka izany ireo mpandalo eny an-toerana, indrindra fa ireo vahiny na dia maika aza. Mety hamono tampoka mantsy ny fianjerana any anatin'ireny lavaka ireny, indrindra fa ny ankizy. Tsiahivina fa efa maro ireo olona latsaka tany anatin'ireny dalle na lavakabe ireny no namoy ny ainy teto an-drenivohitra isaky ny fotoam-pahavaratra. Antso avo araka izany no hatao amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny toy ny lehiben'ny Boriborintany fahatelo mba handray ny andraikiny. Tsy ho an'Andravoahangy irery ihany fa maro amin'ireo toerana eto an-drenivohitra ihany koa no betsaka dalle tsy misarona intsony fa nisy nangalatra. Tsy voatery ho dibo-drano izy ireny vao mety hamono olona fa rehefa tsy hita amin'ny andro alina koa. Tsy vitsy amin'ireo mponin'Iarivo anefa no sahirana amin'ny fitadiavana ka saika efa maizina avokoa vao mihazakazaka mamonjy fodiana.
Nangonin'i Pati
Légende : Na ny kodiaran-droa aza difotr'ilay lavakabe tahaka izao !
 

Dans la même rubrique

17-août-2026

niara-maty teny amin'ny RN7

Card image cap