airtel

Fifamoivoizana

17-avril-2025

ANKADILALANA AMPITATAFIKA

Potika tanteraka ny làlana, tsy misy mpijery…

Sample post image

Potika tanteraka ny lalana etsy Ankadilalana Ampitatafika raha avy any Vinany,

17-avril-2025

samy ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Mikorontana tsy misy fantatra intsony ireo rarivato nandrafitra ny lalana hatramin’izay. Hiandronan’ny rano ihany koa ny arabe ka ahiana handratra ireo ankizy mpianatra sy ireo efa zokiolona. Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia efa amam-bolana maro no simba io lalana io nefa tsy misy mpijery. An-jatony isan’andro anefa ireo mampiasa azy ka anisan’ireny ny mponin’Itaosy miala fitohanana eny Antanimenakely isan’andro raha avy any amin’ny lalam-pirenena voalohany. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra. Lalana mampifandray ny kaominina roa mantsy izy ity dia Ampitatafika sy Ambavahaditokana. Tsiahivina fa na dia ireo fiara tsy mataho-dalana toy ny 4x4 aza efa sahirana amin’izao mampiasa ity lalana ity. Ireo fiara madinika miazo an’Andranonahoatra Itaosy moa dia efa tsy misy mandalo eny an-toerana intsony fa tsy afaka.
Pati
Legende : Na ny olona aza sahirana amin’ny fampiasana ity lalana ity !

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap