airtel

Fifamoivoizana

26-janv-2024

ANOSISOA AMBOHIMANARINA

Fiara karetsaka niala taksibe, nandona vehivavy iray

Sample post image

Nisehoana lozam-pifamoivoizana omaly Alakamisy 25 Janoary maraina teny

26-janv-2024

Anosisoa Ambohimanarina. Fiara karetsaka iray nitondra olona no niala taksibe iray nifanena taminy tampoka. Vokany, nahadona vehivavy iray ilay fiara karetsaka ka ny lohany no tena voamafy tamin’ity farany. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Nambaran’ireo mponina eny Ambohimanarina moa fa tena tery iny faritra iny. Matetika noho izany no hitrangana loza tahaka izao eny an-toerana indrindra raha somary maika sy tsy manana fandavan-tena ilay mpamily. Ankizy mirava avy mianatra raha araka ny fantatra no matetika voadonan’ny fiara na moto eny an-toerana. Raha araka ny tatitry ny polisim-pirenena moa dia nahatratra 75 isa ireo olona namoy ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana teto amintsika tamin’iny taona 2023 nivalona iny raha nahatratra 538 kosa ireo naratra mafy.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay Renim-pianakaviana lasibatra !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap