airtel

Fifamoivoizana

09-avril-2021

Fifamoivoizana

Antananarivo Renivohitra Ho avy ny “bus class” amin’ny sarany 1500Ar

Sample post image

Ho avy ny “bus class”, endri-pitaterana vaovao ho hita eto Antananarivo atsy ho atsy, araka ny fampahafantarana omaly 08 aprily

09-avril-2021

 

 

 

 teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely notarihin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Nitana ny sain’ny maro sy niteraka adihevitra tsy nifankahitana io ho an’ny andron’ny omaly

HANARA-PENITRA, 1500 AR NY SARANY

Soso-kevitra niainga avy amin’ny komity stratejika izay iraisan’ny CUA sy ny Kaoperativa mpitatitra ahitana ny UCTU sy ny FMA. Amin’ny maha manara-penitra azy, dia hiavaka amin’ny mahazatra, ka ho telo isaky ny seza ny mpandeha, tsy misy mitsangana, tsy misy seza volamena, misy tambajotra Wifi, écran TV, misy GPS,…   1500 Ar ny saran-dàlana amin’izany, raha ny fanazavan’ny Kaomisera Bemana Vigor Talen’ny Fitaterana sy Fifamoivoizana eo anivon’ny CUA. Manao fanamiana mihaja ny mpamily sy ny mpanampy azy, tsy mandeha ho azy fa hampiasa “ticket” ary aoriana, dia mety hiditra amin’ny “ticket éléctronique”. Tsy hitovy amin’ny taksibe mahazatra ny fiantsonana, fa raha mampiasa “arrêts” miisa 10 ohatra ireo amin’ny endriny ankehitriny, dia mety ho 5 eo ny “bus class”. Araka ny didy Monisipaly, 192/CUA/2021, dia efa nandalo fankatoavana ara-teknika io, efa nandalo fitsirihana rehetra na “visite de conformité”, tsy maintsy mandalo komity fankatoavana, ary efa ampahafantarina ny mpitandro filaminana, ka tsy tokony hisy sakantsakana sy fanelingelenana io, hoy hatrany ny Kaomisera Bemana Vigor. Malalaka izy ary arahi-maso amin’ny alalan’ny GPS.

 Ny ben’ny tanàna nandritra ny fampahafantarana ny “bus class”

BOKIN’ANDRAIKITRA IRAY IHANY

4200 eo ny taksibe zotra an-drenivohitra, ka tsy hisy ny fampitomboana fiara, na famoronana zotra vaovao, na koa fanomezana “licence” vaovao fa ny efa misy no hatsaraina ho lasa “bus class”. Tsy ferana ny isan’ny fiara hivadika ho “bus class” ho an’ny koperativa, ary afaka mivadika makany amin’ny “bus class” avokoa.  Ny laharan’ny kaoperativa sy ny zotra, toy ny hoe: 192, 137 135,… no hampiavaka fa hitovy hiloko manga avokoa io “bus class” io. Tsy misy fiovana ny bokinan’andraikitra, fa mitovy amin’ny efa lamina nipetraka hatrizay ihany hoe:manomboka amin’ny 5ora maraina hatramin’ny 8ora alina.

10 HATRAMIN’NY 14 TAPITRISA NY MANOVA NY FIARA IRAY

Ao anatin’ny famadihana ny fiara ho “bus class” ny mpandraharaha amin’izao fotoana izao, ary miankina ny fahavitan’izany no ahitana ity endri-pitaterana vaovao eto Antananarivo ity. Manodidina ny 10 tapitrisa hatramin’ny 1 tapitrisa ny mamadika ny fiara taksibe iray amin’ny endriny ankehitriny, ka ilay santionany naseho omaly izao dia tao anatin’ny zotra 192. Iray volana sy tapany eo no lany amin’ny fanovana ny fiara iray manomboka amin’ny fanovana any anatiny sy ny fandokoana, ka ao anatin’ny iray volana sy tapany izany raha haingana indrindra no ahitana ireo “bus class” eto Iarivo. Mpikambana ao anatin’ny komity stratejika avokoa ny mpitatitra rehetra, ary nanaiky sy resy lahatra, hoy ny Filohan’ny Koperativa 126. Amin’ny ankampobeny, dia “sprinter” no hanaovana an’io, saingy miankina amin’ny Komity stratejika ny fanapahana satria mety misy manana fiara hafa tsara tarehy.

 Ilay santionany amin’ny “bus class” nampahafantarina omaly

MARO NY ADIHEVITRA

Niompanana adihevitra tsy hifankahitana moa ity resaka “bus class” ity omaly tamin’ny tambajotran-tserasera ka tao ny nankasitra, ary nisy ihany koa ny nanakiana. Tao ny nampahatsiahy fa tramway sy téléphérique no nampanatenaina, kanefa zavatra hafa no tonga. Misy ny maneho, fa somary midangana ny sarany satria avo telo heny amin’ny mahazatra, ka tokony hatao 1000Ar eo. Maro ireo tetikasa momba ny fitaterana nampanantenaina teto Iarivo, ary ny Fanjakana nisesy dia efa niresaka an’io avokoa. Efa noresahina teto ny “Bus intelligent” sy ny maro hafa, efa nisy ny zotra filamatra tany aloha,.... Ny irariana amin’itony, raha tanteraka tokoa dia ny mba ho voatazona hatrany ny kalitao, fa tsy ho tsara am-boalohany, ary hivaralina avy eo. Hevitra hatsipy hatrany hanatsarana io sehatra io ihany koa ny lafiny maha-olona satria ny fitaterana eto, dia mbola amin’ny endriny tsy ara-dalàna na “secteur informel”. Tsy mitovy tantana ny mpiasa rehetra, fa samy manana ny azy arakaraka ny tompon’ny fiara sy ny mpiasa, tsy tena misy fiantohana ara-tsosialy,… hany ka tena manao izay hihinanany, manenjika volan’ny mpampiasa sy izay ho any am-paosy,… Tsy resaka fitaovana raitra sy harifomba fotsiny io hoe: fiara manara-penitra, fa mila jerena ihany koa ny arak’olona.

Ny ao anatin’ny Bus Class

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap