airtel

Fifamoivoizana

25-avril-2024

SERANAM-PIARAMANIDINA AO NOSY-BE

Mampiasa angovo azo havaozina manontolo

Sample post image

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

25-avril-2024

tantanan’ny Ravilana Airports amin’izao fotoana izao. Nanomboka tamin’ny faran’ny volana Martsa lasa teo no nisian’izany fiovana goavambe izany mba ho fiatovana ny tontolo iainana. Tanjona ny hahafahana mampiasa ny angovo azo havaozina azo avy amin’ny alalan’ny masoandro sy ny hazavana ao amin’ity seranam-piaramanidina iray ity sy ny eto Antananarivo hatramin’ny taona 2025. Tsiahivina moa fa ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be dia nahazo ny fahazoan-dalana laharana faharoa na ilay antsoina hoe : Accreditation Carbon Airport, izay fandaharan’asan’ny Airports Council International (ACI) mampihena ny fampiasana herinaratra amin’ny foto-drafitrasa goavambe tahaka ireny nanomboka ny taona 2019. Tsiahivina moa fa mamokatra angovo hatrany amin’ny 52kWc ny fitaovana hampiasan’ny Ravinala Airports ao amin’ity seranam-piaramanidina ity. Afaka miodina hatrany ireo fitaovana mila herinaratra ao aminy noho izany na dia amin’ny andro atoandro aza. Ity seranam-piaramanidina ao Nosy Be ity moa no seranam-piaramanidina voalohany nampiasa fitaovana raikitra tahaka izao momba ny fahazoana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ilay fitaovana ! 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Tsy niova ny tamberim-bidy raisin’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Ravinala Airports

Card image cap
02-mai-2024

Manana kaompania fa tsy manana fiaramanidina ! Nakatona nanomboka omaly 01 mey

Card image cap
02-mai-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny amin’ny Digue Ampitatafika omaly hariva efa madiva ho alina

Card image cap