airtel

Fifamoivoizana

02-mai-2024

Vizana ny Madagascar Airlines…

Ampangain’i Rinah R. ny DG Thierry de Bailleul

Sample post image

Manana kaompania fa tsy manana fiaramanidina ! Nakatona nanomboka omaly 01 mey

02-mai-2024

ny Masoivoho ara-barotry ny Madagascar Airlines any La Réunion noho ny fampiatoana ny sidina iraisam-pirenena. Tsy hiverina ny sidina iraisam-pirenena ho an’io kaompania io raha tsy any amin’ny taona 2026, raha ny tombatombana nataon’ny mpitantana tarihin’i Thierry de Bailleul. Tsy mieritreritra ny hamerina ireo sidina iraisam-pirenena rahateo ny Kaompania raha tsy efa milamina sy marin-toerana na « rentables » ny sidina ato anatiny. Fanatsarana ny sary na ny fahitan’ny olona ny kaompania sy ny tolotra no voafaritra amin’ny drafitra «Phenix 2030 » toy ireo ivon-toerana ara-barotra etsy Analakely, La City, Ivato no voaresaka, ankoatry ny hananganana tranonkala internet. Raha maty antoka sy bokan-trosa 80 tapitrisa dolara ny Air Madagascar novonoina ny taona 2022, tsy nierina akory ny taona dia efa bokan-trosa ny nasolo azy. Ny 9 novambra 2023, nahatratra 35 tapitrisa dolara ny trosan’ny Madagascar Airlines tao anatin’ny 18 volana, hoy ny Tale Jeneralin’ny Madagascar Airlines Thierry de Bailleul, nanamafy ny efa voalaza, toa niampanga ireo mpitantana nodimbiasany notarihin’i Rinah Rakotomanga, izay nametra-pialana tsy ho Filohan’ny filankevi-pitantanana na PCA ny 4 novambra 2023. Ankehitriny, tsy manana afatsy fiaramanidina ATR roa manao ny sidina anatiny. « Satria nalefan’ilay vazaha io hiverina amin’ny mpampanofa azy tsy nasiana solony ireo fiaramanidina ary tsy notsinjoviny ny olana mety ateraky ny tsy fahampiana « avion » hiasa. Zarany aza tsisy sidina ary tezitra ny mpanjifa dia alefa amin’izay ny fanokafana hoan’ny mpandraharaha tsy miankina avy any ivelany ny sidina anatiny nasionaly », hoy Rtoa Rinah Rakotomanga Tompon’andraikitra ambony volana vitsy lasa, ary naveriny ho fampahatsiahivana rehefa nisokatra ny adihevitra omaly. Nezahina namboarina ary nanao fifampiraharahana tamin’ireo mpampanofa fiaramanidina. Lasa ATR 72 miisa 4 no afaka niasa ny faran’ny taona 2022 ary nahatratra 95% ny tahan’ny fahamarinam-potoana ary tsy nisy ny fanafoanana sidina anatiny, hoy ny fanazavany. Noravain’ilay vazaha io sy ny experts nalainy avokoa ireo fifanarahana rehetra. Nolazainy fa tsy zakan’ny tsenan’I Madagascar Airlines ny hanofa Dreamliner 1 tapitrisa USD isam-bolana,… fa aleo mijery vahaolana hafa toy A330 ary nolazainy ihany koa fa fatiantoka ny fanaovana ny sidina iraisampirenena, raha ny filazan-Rtoa Rinah Rakotomanga.
POTIKA NANOMBOKA NY TETEZAMITA
Na inona na inona aloha fifampiampangana dia potika ny Kaompania Malagasy niainga tamin’ny tetezamita nividianana Airbus maty kapoka, fitantanana tsy mahomby, fanaovana tantely afa-drakotra, fifanarahana stratejika tsy nahomby,… Ny taona 2006, nanana renivola 17 685 440 000Ar ny Air Madagascar raha ny tahirin-kevitra, ka 90,60% an’ny Fanjakana, ny 4,85% an’ny SONAPAR, ary ny 3,17% an’ny Air France. Nanana « flotte » fiaramanidina maro : 02 Boeing 767-300 niisa; 02 Boeing 737-300 ; 02 ATR 72-500 ; 01 ATR 42-500 ; 01 ATR 42-320 ; 04 Havilland Twin-Otter. Ny voatanisa ireo fa mbola nisy hafa toy ny Air Force One aza. Mby aiza izany izao ? Hatramin’ny Filoham-pirenena aza toa nandainga tamin’ny resaka fifidianana fiaramanidina ? Izao manao izay danin’ny kibony ny kaompania vahiny satria maty ilay kaompania « regulateur de prix » ka ny fiantsoana kaompania arabo ho avy eto avy no hireharehana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-juil-2024

Hatairana ny an’ny mpandalo raha raha nahita tovovavy maratra mafy nihampatra teo an-tsisin-dàlana tsy

Card image cap
18-juil-2024

Hampiasa ny rindram-baika na « logiciel » antsoina hoe : E-Tsirika ny eo anivon’ny DGSR

Card image cap
18-juil-2024

Ny lalana RNT8 A mampitohy ny distrikan’Antsalova sy Maintirano hatreto no anisan’ny lalana

Card image cap