airtel

Fifamoivoizana

09-janv-2023

Fifamoivoizana

Antananarivo renivohitra Simba avokoa ny ankamaroan’ny lalana

Sample post image

Simba avokoa ny ankamaroan’ireo lalana eto an-drenivohitra. Ankoatra ny etsy Ankadimbahoaka miazo an’ny By pass izay nirotsahan’ny lehiben’ny Faritra Analamanga

09-janv-2023

mihitsy ny nanamboatra azy nefa efa simba sahady dia efa ahitana izany ihany koa ny eny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’Ankadindramamy amin’i Nanisana. Tsy lazaina intsony ny etsy Ampasika, Ambodin’Isotry, 67 ha izay mitontona tanteraka ao anatin’ny fotoam-pahavaratra. Mahatsiaro ho sahirana mafy ireo mpampiasa lalana noho izany. Ireo mpitondra moto kodiaran-droa no tena mampanahy indrindra. Tsy vitsy mantsy ireo manaraka fiara avy aoriana ary tsy mahita lava ka lasibatry ny loza avy hatrany. Nisy mihitsy ireo efa naratra sy simba fananana vokatr’izany. Raha tsy mitsongolika ao anaty lavaka ilay mpitondra moto dia taitra mafy ary miala izany ka mifatratra any amin-javatra hafa dia tahaka izany hatrany. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny asa vaventy mba hijery akaiky ireny lalana simba marobe eto an-drenivohitra ireny fa tsy ho variana hanonofy amin’ireo karazana tetikasa toy ny teleferika…. fotsiny izay tsy mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana akory.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap