tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Fifamoivoizana

Antananarivo renivohitra Tsy mahafeno « versement » ny ankamaroan’ireo Taksibe

Na fotoana hianaran’ny mpianatra sy hiasan’ny mpiasa aza izao dia marobe ireo mpamily taxibe no mitaraina ho tsy mahafeno « versement »

09-févr-2023

Sample post image

na ny vola tsy maintsy henjehina isan-kariva eto an-drenivohitra izay manodidina ny 60.000 Ar ka hatramin’ny 80.000 Ar. Noho ny haratsian-dalana no nambaran’ireo mpamily fa mahatonga izany. Na eto an-drenivohitra aza mantsy dia efa mitovy amin’ny any ambanivohitra mihitsy ny haratsian-dalana toy ny hita etsy Tsaralalana, 67 ha…. Mihena ny « tour » vita Raha nahavita toro miisa 7 araka izany ny taxibe iray teo aloha dia lasa 5 sisa amin’izao miampy ny fitohanana eny rehetra eny izay tsy mifidy ora intsony. Manampy trotraka izany hoy hatrany ny mpamily iray ny fahasahiranan’ny olona. Vitsy sisa ireo mpandeha mandoa saran-dalana tapa-dalana fa aleon’izy ireny mandeha dia an-tongotra. Tsy maintsy 600 Ar hatrany mantsy no alohan’ny tsirairay na dia tobim-piantsonana iray monja aza no dinganina nefa ampiana kely izay dia efa hahazoana vary iray kapoaka. Tsy mahavelona intsony araka izany ny asa fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina raha fehezina. Tsy lazaina intsony ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara
Pati

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanavaozana momba ny kaoperativa Hampivelatra ny tsena ny lalàna vaovao
08-juin-2023

Lany tsy nisy nitsipaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny Volavolan-dalàna mifehy ny Orinasa kaoperativa.

Card image cap
Avaradoha Namoy ny ainy ilay mpitondra moto voadonan’ny taxibe
08-juin-2023

Nitrangana lozam-pifamoivozana nahatsiravina omaly teny Avaradoha. Tokony ho tamin'ny 09 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany.

Voir plus