.Ny tsy fisian’ny fandehanan’ny rano, ireo lakan-drano tsentsina dia mivoaka eny amin’ny arabe ny rano maloto, mifangaro amin’ny tara eo amin’ny arabe dia miteraka fahasimbana. Avy eo mbola dilirin’ny fiara mandalo dia vao miha mitombo ny fahasimbana, arak any fanazavan-dRamatoa Bodosoa Razafimandimby avy ao amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra (CUA) .Efa ahitana lalana simba avokoa ny boriborintany 6 eto Antananarivo ary misy lalana dia efa tsy fanao ianao intsony mihitsy.Efa any amin’ny minisiteran’ny asa vaventy ny lisitry ny lalana mila havaozina sy amboarinaa tanteraka eto an-drenivohitra, hoy hatrany ny fanazavana. Rehefa vita kosa anefa ireo lalana simba, dia anjaran’ny rehetra ny fikojakojana ary tsy maintsy samy mandray andraikitra ; aoka tsy hanary fako any anaty tatatra ary samy mikojakoja ny manoloana ny tranony sy ny faritra misy azy hoy ry zareo avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo.
RTT
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray omaly Alahady tany amin’ny lalam-pirenena faharoa,
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny omaly 27 septambra ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia ny