airtel

Fifamoivoizana

27-mai-2022

Fifamoivoizana

Antananarivo Volena fitohanana mba hanaiky teleferika ?

Sample post image

Tandra vadin-koditra amin’ny fiainana eto Antananarivo Renivohitr’i Gasikara ny fitohanan’ny fiara. Fatiantoka tsy roa aman-tany amin’ny lafiny toekarena anefa no aterak’io.

27-mai-2022

Manodidina ny 500 000 isan’andro ny olona mifamezivezy eto Antananarivo, mety lany 3ora isan’andro amin’ity fitohanana ity ny olona iray. Ny firenen-dehibe rehetra saika mihodina 24/24ora ny toekaren'ny Renivohitra izany hoe: saika manao ilay hoe: “ville nocturne” avokoa, fa ny antsika 8ora no misy fandraharahana, kanefa mbola lany amin’ny fitohanana.
FATIANTOKA GOAVANA
. “500 000 olona x 3ora x 2000 ariary (Karama isan'ora raha mandray karama salan'isa 300 000 ariary isam-bolana) manome 3 miliara ariary/ isan'andro, 3 miliara ariary x 20 andro manome 60 miliara ariary isam-bolana, izany hoe:720 miliara ariary isan-taona, ny fatiantoka ara-toekarena, raha ny kajikajy nataona mpandinika iray. Manampy trotraka izany ny haratsian-dalana izay mampitombo ny fandanian’ny fiara amin’ny fahasimbana, ny solika lany amin'ny fiara mihodina 3 ora isan'andro anatin'ny fitohanana (1ora sy sasany mandroso ary 1ora sy sasany miverina mody). Vinaniana ho hatrany amin’ny 1000 miliara ariary any izany ny fatiantoka ara-toekarena eto an-drenivohitra fotsiny, izany hoe manome 1/5 n'ny tetibolam-pirenena eo. Maro ny fandaminana tokony hapetraka: fotodrafitrasa tokony hifanaraka amin’ny fitomboan’ny fiara, làlana voakarakara ara-dalàna, fahaiza-mandamina,… 29% isaky ny litatra, izany hoe isaky ny maka solika 1 lititra isika dia 1000 ariary amin'iny dia hetra, ka tokony omena ny Kaominina na CUA iny anamboarana sy hikojakojana ny lalana. Tena izay ve no miseho eto ?
ATOSIKA HANAIKY TELEFERIKA ?
Misy ny endrika fandaminana raisin’ny kaominina tarihin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina tahaka ny etsy Ambohijatovo izay nasiana fanovana ny làlan-jotran’ny fiara. Ekena fa mety misy tokoa ny fiovana ho an’ny eo Ambohijatovo sy ny mivoaka an’Analakely, saingy mampiteny ny moana kosa ny fidirana ho an’ny miditra an’Analakely. Noraisina indray izao ny fanapahan-kevitra nametraka ho làlan-jotra roa na “double sens” ny làlana Sainte Famille Mahamasina miazo ny tionelina Ambohidahy, izay maro sahady ny manahy fa vao mainka hampitombo ny fitohanana amin’iny làlana iny. Mety manana ny fijeriny ny kaominina, fa misy endrika vahaolana miteraka olana ihany ny fanapahan-kevitra sy andrana, izay azo lazaina ho vahaolana vonjy tavanandro. Ny eo Andohan’Analakely sy Ambohijatovo ihany no ezahina voizina fa mahomby, fa ny hafa toa iniana hikipiana. Sanatria ve iniana volena mihitsy ny fitohanan’ny fiara mba hampitomboana ny hakivian’ny olona? Volena fitohanana mba hanaiky teleferika? Mora avy eo ny manasosoka ny teleferika fa hoe: io no tena vahaolana na miteraka adihevitra tsy hifankahitana aza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap